Fanampiana amin’ny fandalinana
Hosana


Hosana

Teny Hebreo izay “vonjeo re izahay” no heviny ary ampiasaina ho fiderana sy fitalahoana.

Tamin’ny Firavoravoana nankalazana ny Tabernakely, izay nanamarihana ny nanafahan’ny Tompo ny Isiraely ho any amin’ny tany nampanantenaina, ny vahoaka dia niantsa ny tononkiran’ny Salamo 118 sy nanofahofa sampan-drofia. Tamin’ny fidiran’ny Tompo nanakoako tao Jerosalema, ny valalabemandry dia nihiaka hoe “Hosana” sy namelatra sampan-drofia mba hodiavin’i Jesoa ka naneho tamin’izany ny fahatakarany fa i Jesoa ihany no Ilay Tompo izay efa nanafaka ny Isiraely fahizay (Sal. 118:25–26; Mat. 21:9, 15; Mar. 11:9–10; Jao. 12:13). Nahafantatra an’i Kristy ho ilay Mesia nandrasana ela ireo olona. Zary fankalazana ny Mesia tamin’ny taona rehetra ny teny hoe Hosana (1 Ne. 11:6; 3 Ne. 11:14–17). Tafiditra tao amin’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland ny hiaka hoe Hosana (F&F 109:79) Ary ankehitriny dia tafiditra amin’ny fanokanana tempoly maoderina izany.