Fanampiana amin’ny fandalinana
Jodasy Iskariota


Jodasy Iskariota

Anankiray tamin’ireo Apôstôly roa ambin’ny folon’i Jesoa, ao amin’ny Testamenta Vaovao (Mat. 10:4; Mar. 14:10; Jao. 6:71; 12:4). Ny anaram-pianakaviany dia midika hoe “olona avy any Keriota”. Avy amin’ny fokon’i Joda izy ary hany Apôstôly tsy mba Galiliana. Namadika ny Tompo i Jodasy.