Teny soratana na aloaky ny vavan’ireo lehilahy masin’ Andriamanitra rehefa eo ambany fitaoman’ny Fanahy Masina izy ireo. Ankehitriny ireo Soratra Masina ankatoavin’ny Fiangonana dia ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy. Nandray ny Testamenta Taloha ho Soratra Masina i Jesoa Kristy sy ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao (Mat. 22:29; Jao. 5:39; 2 Tim. 3:15; 2 Pet. 1:20–21). Jereo koa ny Fifanesen’ny vanim-potoana ao amin’ny tovana.
Soratra Masina very
Maro ireo asasoratra masina voalaza ao amin’ny Soratra Masina kanefa tsy ananantsika ankehitriny, ka isan’izany ireto boky sy mpanoratra ireto: ny fanekempihavanana (Eks. 24:7), ny adin’ny Tompo (Nom. 21:14), Jasara (Jos. 10:13; 2 Sam. 1:18), ny tantaran’i Solomona (1 Mpan. 11:41), Samoela mpahita (1 Tan. 29:29), Natana mpaminany (2 Tan. 9:29), Semaia mpaminany (2 Tan. 12:15), Ido mpaminany (2 Tan. 13:22), Jeho (2 Tan. 20:34), ny tenin’ny mpahita (2 Tan. 33:19), Enoka (Joda 1:14), ny tenin’i Zenôka, i Neoma, ary i Zenôsa (1 Ne. 19:10), Zenôsa (Jkb. 5:1), Zenôka sy i Ezià (Hel. 8:20), ny bokim-pahatsiarovana (Mos. 6:5); ary ireo epistily ho an’ny Korintiana (1 Kor. 5:9), ny Efesiana (Ef. 3:3), avy amin’i Laodikia (Kol. 4:16), sy avy amin’i Joda (Joda 1:3).