Fanampiana amin’ny fandalinana
Eksodosy


Eksodosy

Boky iray ao amin’ny Testamenta Taloha, izay nosoratan’i Mosesy ka milazalaza ny fialan’ny Isiraelita tany Egypta. Ny fiandohan’ny tantaran’ny Isiraely araka izay voasoratra ao amin’ny Eksodosy dia azo zaraina telo: (1) ny fanandevozana ny vahoaka tany Egypta, (2) ny fialany tany Egypta notarihin’i Mosesy ary (3) ny fanoloran-tenany ho amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainana ny fivavahana sy ny fiainana ny fitondram-panjakana.

Ny ampahany voalohany, Eksodosy 1:1–15:21, dia manazava ny fangejana ny Isiraely tany Egypta; ny fiandohan’ny tantara sy ny fiantsoana an’i Mosesy; ny Fifindramonina sy ny fandraiketana ny Paska; ary ny fandehanana nankany amin’ny Ranomasina Mena, ny famongorana ny miaramilan’i Farao ary ny hiram-pandresen’i Mosesy.

Ny ampahany faharoa, Eksodosy 15:22–18:27, dia milaza ny amin’ny fanavotana ny Isiraely ary ireo zava-nitranga nandritra ny dia izay niala avy teo amin’ny Ranomasina Mena nankany Sinay; ny rano mangidy tao Mara; ny nanomezana papelika sy mana; ny fanajana ny Sabata; ny fanomezana mahagaga ny rano tao Refidima mbamin’ny ady tamin’ny Amalekita; ny nahatongavan’i Jetro teo amin’ny toby sy ny toroheviny ny amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena.

Ny ampahany fahatelo, toko 19–40, dia mamelabelatra ny amin’ny fanokanan-tenan’ny Isiraely ho amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra nandritra ireo fotoan-dehibe teo Sinay. Nanokana ny vahoaka ho fanjakam-pisorona sy ho firenena masina ny Tompo. Nomeny ny Didy Folo; nomeny koa ny toromarika momba ny taberinakely, ny fanaka sy ny fiderana ao anatiny. Manaraka izany ny fitantarana ny amin’ny fahotan’ny vahoaka raha nidera ny ombilahikely volamena izy ireo, ary farany dia ny fitantarana ny amin’ny fananganana ny tabernakely