Fanampiana amin’ny fandalinana
Madio sy tsy Madio


Madio sy tsy Madio

Ao amin’ny Testamenta Taloha dia nambaran’ny Tompo tamin’i Mosesy sy ireo Isiraelita fahiny fa ny sakafo sasantsasany ihany no noheverina ho madio, na amin’ny teny hafa, azo hanina. Ny fanavahana nataon’ny Isiraelita teo amin’ny hanina madio sy tsy madio dia nisy akony lehibe teo amin’ny fiainany ara-pivavahana sy ara-piaraha-monina. Noheverina ho madio ka nekena ny hihinanana ny biby sasantsasany, ny vorona ary ny trondro raha ny hafa kosa dia tsy madio sady noraràna (Lev. 11; Deot. 14:3–20). Noheverina koa ho tsy madio ny olona narary sasantsasany.

Amin’ny heviny ara-panahy, ny hoe madio dia afaka amin’ny ota sy ny fanirian-dratsy Amin’izay heviny izay no ampiasaina ny teny mba hilazana ny olona manana hatsaram-panahy sy fo mahitsy (Sal. 24:4). Ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra dia nahazo mandrakariva ny toromarika manokana mba hadio (3 Ne. 20:41; F&F 38:42; 133:5).