Fanampiana amin’ny fandalinana
Levy


Levy

Ao amin’ny Testamenta Taloha, zanakalahy fahatelon’i Jakoba sy i Lea (Gen. 29:34; 35:23). Lasa rain’ny anankiray amin’ny fokon’i Isiraely i Levy.

Ny fokon’i Levy

Nitsodrano an’i Levy sy ny taranany i Jakoba (Gen. 49:5–7, 28). Nanompo teo amin’ireo fitoera-masin’i Isiraely ny taranak’i Levy (Nom. 1:47–54). Levita i Aharôna, ary mpisorona ny taranany (Eks. 6:16–20; 28:1–4; 29). Nanampy ireo mpisorona izay zanakalahin’i Aharôna ny Levita (Nom. 3:5–10; 1 Mpan. 8:4). Nitendry ny zava-maneno izy ireo indraindray (1 Tan. 15:16; Neh. 11:22); namono ny fanatitra (2 Tan. 29:34; Ezra 6:20); ary mazàna nanampy tao amin’ny tempoly (Neh. 11:16). Notendrena tamin’ny fanompoana ny Tompo ny Levita mba hanatanteraka ireo ôrdônansy ho an’ny zanak’i Isiraely. Ny Levita koa dia natolotra ho solon’ny zanak’Isiraely (Nom. 8:11–22); Noho izany izy ireo dia nanjary fananan’ Andriamanitra manokana izay nomena Azy ho solon’ny lahimatoa (Nom. 8:16). Tsy natokana izy saingy nodiovina kosa ho amin’ny asany (Nom. 8:7–16). Tsy nanana tany lova tao Kanana izy (Nom. 18:23–24), saingy nandray ny fahafolonkarena (Nom. 18:21), tanàna valo amby efapolo (Nom. 35:6), ary zo handray ny fanomezan’ny olona amin’ny fotoam-pifaliana (Deot. 12:18–19; 14:27–29).