Tsy fahampiana na tsy fananana fanetrentena sy fanekena anatra. Mitondra fifanoherana amin’ny olona samy olona sy amin’ Andriamanitra ny fiavonana. Ny olona miavona dia mametraka ny tenany ho ambonin’ny manodidina azy ary manaraka ny sitrapon’ny tenany fa tsy ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny fihamboana, ny fitsiriritana, ny fahamafisam-po ary ny fietraketrahana dia mariky ny olona mpiavona ihany koa.
Mitandrema sao hiavonavona ny fonao ka hohadinoinao ny Tompo Andriamanitrao, Deot. 8:11–14 .
Halako ny fiavonavonana sy ny fireharehana, Ohab. 8:13 (Ohab. 6:16–17 ).
Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ohab. 16:18 .
Ny andron’ny Tompo dia hanetry ny mpiavonavona, Isa. 2:11–12 (2 Ne. 12:11–12 ).
Ny avonavon’ny fonao no namitaka anao, Oba. 1:3 .
Ho vodivary ny mpirehareha rehetra, Mal. 3:19 (1 Ne. 22:15 ; 3 Ne. 25:1 ; F&F 29:9 ).
Izay manandra-tena no haetry, Mat. 23:12 (F&F 101:42 ).
Andriamanitra manohitra ny miavonavona, 1 Pet. 5:5 .
Ny trano lehibe sy malalaka no fieboeboan’izao tontolo izao, 1 Ne. 11:36 (1 Ne. 12:18 ).
Rehefa mahay izy dia manao azy ho hendry, 2 Ne. 9:28–29 .
Tafasondrotra ao amin’ny avonavon’ny fonareo ianareo, Jkb. 2:13, 16 (Almà 4:8–12 ).
Endahinareo amin’ny tenanareo ve ny avonavona, Almà 5:28 .
Avonavona lehibe izaitsizy no efa niditra ny fon’ny vahoaka, Hel. 3:33–36 .
Mailaka ery ny zanak’olombelona ny ho tafasondrotra ao amin’ny fiavonavonana, Hel. 12:4–5 .
Ny fiavonavonan’ity firenena ity dia efa porofoin’ny famongorana azy, Môrô. 8:27 .
Mitandrema amin’ny avonavona, fandrao hanjary ho toy ny Nefita fahiny ianareo, F&F 38:39 .
Atsaharo ny fiavonavonanareo sy ny hevi-dravinareo rehetra, F&F 88:121 .