Fanampiana amin’ny fandalinana
Jarôma


Jarôma

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, zanakalahin’i Enôsa ary zafiafin’i Lehia. Nitana ny rakitsoratry ny Nefita nandritra ny enimpolo taona izy, ny 420–361 taona talohan’i Kristy (Enô. 1:25; Jar. 1:13). Izy dia lehilahy nahatoky izay nifidy ny tsy hanoratra betsaka ao amin’ny lafiny tantara amin’ny rakitsoratra (Jar. 1:2).

Ny bokin’i Jarôma

Tsy misy afa-tsy andininy dimy ambin’ny folo ity boky ity ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nitantara i Jarôma fa nanohy niaina araka ny lalàn’i Mosesy ny Nefita ary niandrandra ny fiavian’i Kristy. Izy ireo dia nentin’ny mpanjaka izay lehilahy nahery tamin’ny finoana. Niroborobo izy ireo rehefa nihaino ny mpaminaniny sy ny mpisorony ary ny mpampianatra azy.