Fanampiana amin’ny fandalinana
Samaritana


Samaritana

Vahoaka ao amin’ny Baiboly nonina tao Samaria taorian’ny nambaboan’ny Asyriana ny fanjakan’i Isiraely Avaratra. Manana ila Isiraelita sy ila Jentilisa ny Samaritana. Ny fivavahany dia fifangaroana finoana sy fanao Jiosy sy Jentilisa. Asehon’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy ao amin’ny Lio. 10:25–37 ny fankahalana nananan’ny Jiosy tamin’ny Samaritana, noho ny Samaritana efa niala tamin’ny finoana Isiraelita. Naniraka ny Apôstôly hitory filazantsara amin’ny Samaritana ny Tompo (Asa 1:6–8). Nitory ny filazantsaran’i Kristy tamim-pahombiazana tamin’ny mponin’i Samaria i Filipo ary nanao fahagagana maro teo anivony (Asa 8:5–39).