Fanampiana amin’ny fandalinana
Naftaly


Naftaly

Fahenina amin’ny roa ambin’ny folo lahy zanak’i Jakoba: sady zanaka faharoan’i Bila mpanompovavin’i Rahely (Gen. 30:7–8). Nanana zanaka efa-dahy i Naftaly (1 Tan. 7:13).

Ny fokon’i Naftaly

Voarakitra ao amin’ny Genesisy 49:21 ny tsodranon’i Jakoba tamin’i Naftaly. Voarakitra ao amin’ny Deoteronomia 33:23 ny tsodranon’i Mosesy tamin’io foko io.