Fanampiana amin’ny fandalinana
Jona


Jona

Mpaminany iray ao amin’ny Testamenta Taloha, izay nantsoin’ny Tompo mba hitory fibebahana amin’ny tanànan’i Ninive (Jon. 1:1–2).

Ny bokin’i Jona

Boky iray ao amin’ny Testamenta Taloha, izay milaza ny zava-nodiavin’i Jona teo amin’ny fiainany. Angamba tsy izy Jona tenany no nanoratra ny boky. Ny hevi-dehibe ao amin’ny bokin’i Jona dia manjaka hatraiza hatraiza i Jehovah ary tsy mametra ny fitiavany ho amin’ny firenena na vahoaka tokana.

Ao amin’ny toko 1 no niantso an’i Jona ny Tompo mba hitory any Ninive. Naleon’i Jona nandositra tamin’ny sambo ka natelin’ny hazandrano vaventy toy izay hanao izay efa nandidian’ny Tompo. Ao amin’ny toko 2 dia nivavaka tamin’ny Tompo i Jona ka dia naloan’ilay hazandrano teny amin’ny tany maina. Ny toko 3 dia mitantara fa nandeha nankany Ninive i Jona ary naminany ny amin’ny fianjerany. Nibebaka anefa ny vahoaka. Ao amin’ny toko 4 dia nandevilevy an’i Jona ny Tompo noho ny fahatezerany raha namonjy ny vahoaka ny Tompo.

Nampianatra i Jesoa fa ny fiteleman’ny hazandrano an’i Jona dia tandindon’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesoa amin’ny maty (Mat. 12:39–40; 16:4; Lio. 11:29–30).