Fanampiana amin’ny fandalinana
Lahimatoa


Lahimatoa

Tamin’ny fotoan’ireo patriarika fahiny, dia ny zanaka lahimatoa no nahazo ny fizokiana (Gen. 43:33) ary nitarika araka izany ny fianakaviana rehefa maty ny ray. Tsy maintsy mendrika ny hiantsoroka izany andraikitra izany ny lahimatoa (1 Tan. 5:1–2) ary mety hamery ny fizokiany izy noho ny tsy fahamarinana.

Araka ny lalàn’i Mosesy, ny zanaka lahimatoa dia noheverina ho fananan’ Andriamanitra. Nahazo zara avo roa heny tamin’ny fananan-drainy izy (Deot. 21:17). Aorian’ny fahafatesan-drainy, dia izy no tompon’andraikitra amin’ny fiahiana ny reniny sy ny anabaviny.

Ny lahy amin’ny voalohan-teraky ny biby koa dia an’ Andriamanitra. Ny biby madio dia natao fanatitra fa ny biby maloto kosa dia azo avotana, na amidy na vonoina ho faty (Eks. 13:2, 11–13; 34:19–20; Lev. 27:11–13, 26–27).

Ny lahimatoa dia tandindon’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoany teto an-tany sady fampahatsiahivana ny olona fa ho avy ilay Mesia Lehibe (Mos. 5:4–8; 6:63).

Jesoa no lahimatoa tamin’ny zanaka ara-panahin’ny Raintsika any an-danitra, ny Zanaka Lahitokan’ny Ray tao amin’ny nofo ary santatr’ireo nodimandry izay natsangana tamin’ny maty (Kol. 1:13–18). Ireo Olomasina mahatoky dia tonga mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Lahimatoa any amin’ny mandrakizay (F&F 93:21–22).