Fanampiana amin’ny fandalinana
Faharanitan-tsaina


Faharanitan-tsaina

Manana heviny maro ny hoe faharanitan-tsaina, ka ny telo amin’izany dia: (1) Fahazavan’ny fahamarinana izay manome fiainana sy fahazavana ho an’ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao. Efa nisy mandrakariva izany. (2) Ny teny hoe faharanitan-tsaina dia mety manondro koa ireo zanak’ Andriamanitra ara-panahy. (3) Ny soratra masina koa dia mety hilaza ny amin’ny faharanitan-tsaina ho toy ny manondro ny singan’ny fanahy izay nisy talohan’ny nahaterahantsika ho zanaka ara-panahy.