Fanampiana amin’ny fandalinana
Hezekia


Hezekia

Mpanjaka marina tamin’ny firenen’i Joda, ao amin’ny Testamenta Taloha. Nanjaka nandritra ny sivy amby roapolo taona izy, nandritra ny fotoana naha-mpaminany an’i Isaia tany Joda (2 Mpan. 18–20; 2 Tan. 29–32; Isa. 36–39). Nanampy azy tamin’ny fanatsarana ny fiangonana sy ny fitondrana i Isaia. Nanafoana ny fanompoan-tsampy izy ary namerina indray ny fanompoana tao amin’ny tempoly. Nohalavaina dimy ambin’ny folo taona ny androm-piainany noho ny vavaka sy ny finoana (2 Mpan. 20:1–7). Niroborobo ny tapany voalohany tamin’ny fitondrany, saingy ny fikomiany tamin’ny mpanjakan’i Asiria (2 Mpan. 18:7) dia niteraka an’ireo fanafihana roa nataon’ny Asiriana: ny voalohany dia voatantara ao amin’ny Isaia 10:24–32, ny faharoa dia ao amin’ny 2 Mpan. 18:13–19:7. Tamin’ny fanafihana faharoa, dia novonjen’ny anjelin’ny Tompo i Jerosalema (2 Mpan. 19:35).