Fanampiana amin’ny fandalinana
Hosea


Hosea

Mpaminanin’ny Testamenta Taloha, izay naminany tao amin’ny fanjakan’i Isiraely Avaratra nandritra ny tapany farany tamin’ny nitondran’i Jeroboama Ⅱ. Izy dia niaina nandritra ny fotoana nisian’ny fitotonganana sy ny faharavan’ny firenena, vokatry ny fahotan’ny Isiraely.

Ny bokin’i Hosea

Ny ventin-kevitra fototra ao amin’ny boky dia ny fitiavan’ Andriamanitra ny vahoakany. Nampiharina tamim-pitiavana ny famaizana rehetra ary ny famerenana ny Isiraely ho amin’ny laoniny dia ho vokatry ny fitiavany (Hosea 2:19; 14:4). Asehon’i Hosea miavaka tsara fa mpametsifetsy sy tsy mahatoky ny Isiraely. Hain’ Andriamanitra ihany anefa ny miandrandra ny fanavotana farany ny Isiraely (Hosea 11:12–14:9).