Fanampiana amin’ny fandalinana
Nauvoo, Illinois (Etazonia)


Nauvoo, Illinois (Etazonia)

Tanàna naorin’ny Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny faritanin’i Illinois, tamin’ny taona 1839. Eo amoron’ny Renirano Mississipi, sahabo ho 320 kilaometatra miakatra avy eo Saint Louis.

Noho ny fanenjehana tao amin’ny faritanin’i Missouri, dia nifindra tokony ho 320 kilaometatra mianavaratra atsinanana, ampitan’ny Renirano Mississipi, ny Olomasina ka nankao Illinois izay nahitany tontolo iainana tsara kokoa. Farany, nividy tany tsy lavitra ny tanànan’i Commerce ny Olomasina. Honahona tsy nahitana afa-tsy trano tsotra vitsivitsy io tanàna io. Nohamainin’ny Olomasina izany tany izany ary nanorenany fonenana. Namindra ny fianakaviany tao amin’ny trano kely vatan-kazo iray i Joseph Smith. Novaina ho Nauvoo, avy amin’ny teny Hebreo “tsara tarehy” ny anaran’ny tanànan’i Commerce.

Fizarana maromaro ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no nosoratana tao Nauvoo (F&F 124–129; 132; 135). Notenenina ny Olomasina hanorina tempoly ao Nauvoo (F&F 124:26–27). Nanorina tempoly sy nanangana ireo tsatòkan’i Ziona izy ireo talohan’ny nandroahana azy tamin’ny fonenany ny taona 1846. Noho izany fanenjehana izany dia nandao io faritra io ny Olomasina ka nizotra niankandrefana.