Fanampiana amin’ny fandalinana
Smith, Hyrum


Smith, Hyrum

Zoky iraitampo sady mpiara-miasa mahatoky tamin’i Joseph Smith. Teraka tamin’ny 9 febroary 1800 i Hyrum. Nanompo tamin’ny maha-mpanampy an’i Joseph tao amin’ny fiadidiana ny Fiangonana izy sady Patriarika faharoa tao amin’ny Fiangonana. Niaraka maty maritiora tamin’i Joseph tao amin’ny fonjan’i Carthage izy ny 27 jona 1844.