Fanampiana amin’ny fandalinana
Tomasy


Tomasy

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, iray amin’ireo Apôstôly Roa ambin’ny fololahy voalohany nofinidin’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany (Mat. 10:2–3; Jaona 14:5). Didimo izany anarana izany amin’ny teny Grika (Jaona 20:24–29; 21:2). Na dia tsy nino ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty aza i Tomasy raha tsy ny tenany mihitsy no nahita ny Mpamonjy, ny tanjaky ny toetrany dia nahatonga azy ho vonona hiatrika fanenjehana sy fahafatesana miaraka amin’ny Tompony (Jao. 11:16; 20:19–25).