Fanampiana amin’ny fandalinana
Fahafatesana ara-panahy


Fahafatesana ara-panahy

Fisarahana amin’ Andriamanitra sy ny fitaomany; maty raha ny amin’ny zavatra mikasika ny fahamarinana. Losifera sy ny ampahatelon’ny mponin’ny lanitra dia tojo fahafatesana ara-panahy rehefa nazera avy tany an-danitra (F&F 29:36–37).

Niditra teo amin’izao tontolo izao ny fahafatesana ara-panahy noho ny Fahalavoan’i Adama (Mos. 6:48). Ny olona manana eritreritra, teny ary asa mamohehatra dia tojo fahafatesana ara-panahy na dia mbola velona eto an-tany aza izy (1 Tim. 5:6). Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy amin’ny fankatoavana ny fitsipika sy ny ôrdônansin’ny filazantsara no hahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy hadio amin’ny fahotana ka handresy ny fahafatesana ara-panahy.

Ny fahafatesana ara-panahy koa dia mitranga aorian’ny fahafatesan’ny vatana mety maty. Samy hotsaraina na ny olona natsangana tamin’ny maty na ny devoly na ny anjeliny. Ireo izay efa nikomy an-tsitrapo tamin’ny hazavana sy ny fahamarinan’ny filazantsara dia hiaritra ny fahafatesana ara-panahy. Atao hoe ny fahafatesana faharoa mazàna ity fahafatesana ity (Almà 12:16; Hel. 14:16–19; F&F 76:36–38).