Fanampiana amin’ny fandalinana
Tempolin’i Kirtland, Ohio (Etazonia)


Tempolin’i Kirtland, Ohio (Etazonia)

Tempoly voalohany naorin’ny fiangonana tamin’izao vanim-potoana izao. Natsangan’ny olomasina tany Kirtland araka izay nandidian’ny Tompo (F&F 94:3–9). Iray tamin’ny tanjona ny hanana toerana izay hahafahan’ireo mpikambana mendrika ao amin’ny fiangonana mandray hery ara-panahy sy fahefana ary fahazavana (F&F 109–110). Natokana tamin’ny 27 martsa 1836 izany, ary ny vavaka fanokanana dia nomena ny mpaminany Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fanambarana (F&F 109). Nanome fanambarana manan-danja maro tao amin ity tempoly ity ny Tompo sady namerina tao indray ny fanalahidy nilaina ho an’ny fisoronana (F&F 110; 137). Tsy nampiasaina tao ireo ôrdônansy fenon’ny tempoly izay fanome any amin’ireo tempoly ankehitriny.