Fanampiana amin’ny fandalinana
Faminaniana


Faminaniana

Ny faminaniana dia teny na soratra avy amin’ Andriamanitra, izay raisin’ny olona amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny filazana an’i Jesoa no fanahin’ny faminaniana (Apôk. 19:10). Mety mikasika ny lasa, ny ankehitriny, na ny hoavy ny faminaniana. Rehefa mamin’ny ny olona iray dia miteny na manoratra izay tian’ Andriamanitra ho fantany, ho an’ny tombontsoan’ny tenany na ny tombontsoan’ny hafa. Mety hahazo faminaniana na fanambarana ho an’ny fiainany manokana ny olona iray.