Mety hanana heviny roa ny hoe tahotra: (1) Ny matahotra an’ Andriamanitra dia ny manaja sy ny manahy ny Aminy ka mankatò ny didiny; (2) Ny matahotra olona, loza mahafaty, fanaintainana ary faharatsiana dia ny mivadi-po amin-javatra toy izany ka mifihifihy aminy.
Tahotra an’ Andriamanitra
Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra tokoa eo amin’ity toerana ity, Gen. 20:11 .
Hanan-tahotra ny Tompo Andriamanitrao ianao, Deot. 6:13 (Jos. 24:14 ; 1 Sam. 12:24 ).
Manompoa ny Tompo amin’ny fahatahorana, Sal. 2:11 .
Ny fahatahorana ny Tompo no fiandoham-pahendrena, Sal. 111:10 .
Matahora ny Tompo ary mialà amin’ny ratsy, Ohab. 3:7 .
Ho soa ho an’ireo izay matahotra an’ Andriamanitra izany, Mpito. 8:12 .
Miasà ho amin’ny famonjena anareo amin-tahotra sy hovitra, Filip. 2:12 .
Matahora an’ Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy, Apôk. 14:7 (F&F 88:104 ).
Ny mpaminany dia nanaitra lalandava ny vahoaka mba hihazonana azy ao amin’ny fahatahorana ny Tompo, Enô. 1:23 .
Lavo tamin’ny tany i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià, satria tonga taminy ny fahatahorana ny Tompo, Almà 36:7 .
Milofosa amin’ny famonjena anareo miaraka amin-tahotra sy hovitra, Môrm. 9:27 .
Ireo izay tsy matahotra Ahy kosa dia hotabaiko sy hampangovitiko, F&F 10:56 .
Izay matahotra Ahy dia hiandrandra ireo famantarana ny amin’ny fiavian’ny Zanak’Olona, F&F 45:39 .
Aza matahotra fa momba anao Aho, Gen. 26:24 (Isa. 41:10 ).
Momba antsika ny Tompo: aza matahotra azy ireo, Nom. 14:9 .
Aza matahotra: fa betsaka kokoa ny momba antsika, 2 Mpan. 6:16 .
Tsy hatahorako izay mety ho vitan’ny nofo, Sal. 56:4 .
Aza matahotra ny fandatsan’ny olona, Isa. 51:7 (2 Ne. 8:7 ).
Tsy nomen’ Andriamanitra antsika ny fanahin’ny tahotra, 2 Tim. 1:7 .
Ny fitiavana fanaperana mandroaka ny tahotra, 1 Jn. 4:18 (Môrô. 8:16 ).
Tsy matahotra fahafatesana ireo zanakalahin’i Helamàna, Almà 56:46–48 .
Ny tahotra ny fahafatesana dia mameno ny tratran’ny olon-dratsy, Môrm. 6:7 .
Aza matahotra izay mety hataon’ny olona, Môrô. 8:16 .
Tsy tokony ho natahotra ny olona mihoatra noho Andriamanitra ianao, F&F 3:7 (F&F 30:1, 11 ; 122:9 ).
Aza matahotra ny hanao ny tsara, F&F 6:33 .
Na zovy na zovy no isan’ny fiangonako, dia tsy mila matahotra izy, F&F 10:55 .
Raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra, F&F 38:30 .
Esory hiala amin’ny tenanareo ny tahotra, F&F 67:10 .
Mahereza ary aza matahotra fa Izao Tompo dia momba anareo, F&F 68:6 .
Aza matahotra ny fahavalonareo, F&F 136:17 .