Fanampiana amin’ny fandalinana
Fahafatesan’ny Vatana


Fahafatesan’ny Vatana

Ny fisarahan’ny vatana sy ny fanahy. Nitondra ny toetry ny mety maty sy ny fahafatesana ho ety an-tany ny Fahalavoana (2 Ne. 2:22; Mos. 6:48). Nandresy ny fahafatesana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ka hitsangana amin’ny maty ny olona tsirairay (1 Kor. 15:21–23). Fanomezana mamaimpoana ho an’ny olon-drehetra ny fitsanganana amin’ny maty, na nanao ny tsara izy na nanao ny ratsy teo amin’ity fiainana ity (Almà 11:42–44). Ny olona tsirairay dia hiaritra indray mandeha monja ny fahafatesan’ny vatana, fa rehefa atsangana amin’ny maty isika, dia tsy afaka ny ho faty intsony ny vatantsika (Almà 11:45).