Fanampiana amin’ny fandalinana
Mesaka


Mesaka

Ao amin’ny Testamenta Taloha, i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-nego dia zatovo Isiraelita telolahy izay nentina niaraka tamin’i Daniela nankao an-dapan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Misaela no anarana Hebreo nentin’i Mesaka. Nandà ny handoto ny tenany amin’ny fihinanana ny sakafo sy ny divain’ny mpanjaka ireo zatovolahy efatra ireo (Dan. 1). Natsipin’ny mpanjaka tao anaty lafaoro mirehitra afo i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-nego saingy voaro tamin’ny fomba mahagaga (Dan. 3).