Fanampiana amin’ny fandalinana
Lanitra


Lanitra

Manana ventin-kevitra roa ny teny hoe lanitra ao amin’ny soratra masina. (1) Toerana izay onenan’ Andriamanitra ary fonenan’ireo Olomasina amin’ny hoavy (Gen. 28:12; Sal. 11:4; Mat. 6:9). (2) Ny habakabaka manodidina ny tany (Gen. 1:1, 17; Eks. 24:10). Mazava tsara fa ny lanitra dia tsy ny paradisa izay toeram-ponenana mandritra ny fotoana voafetra ho an’ireo fanahy mahatoky izay efa nonina sy maty teto amin’ity tany ity. Nitsidika ny paradisa i Jesoa taorian’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, nilaza tamin’i Maria anefa Izy tamin’ny andro fahatelo fa tsy mbola tany amin’ny Ray (Lio. 23:39–44; Jao. 20:17; F&F 138:11–37).