Fanampiana amin’ny fandalinana
Manase


Manase

Ao amin’ny Testamenta Taloha, lahimatoan’i Asenata sy i Josefa ilay namidy tany Egypta (Gen. 41:50–51). Zafin’i Jakoba (Isiraely) izy sy i Efraima rahalahiny saingy natsangan’i Jakoba sy notsofiny rano toy ny zanany naterany (Gen. 48:1–20).

Ny fokon’i Manase

Noraisina ho isan’ny mpianakavin’i Isiraely ny taranak’i Manase (Nom. 1:34–35; Jos. 13:29–31). Voarakitra ao amin’ny Deoteronomia 33:13–17 ny tsodrano nomen’i Mosesy ny fokon’i Josefa, izay nomena an’i Efraima sy i Manase koa. Ny zara-taniny dia ampahany andrefan’i Jordana, eo anilan’i Efraima. Manana tany ao atsinanan’i Jordana koa izy, ao amin’ny tanim-bilona lonak’i Basana sy Gileada. Amin’ny andro farany, ny fokon’i Manase dia hanampy ny fokon’i Efraima amin’ny fanangonana an’i Isiraely miely patrana (Deot. 33:13–17). Taranak’i Manase i Lehia mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna (Almà 10:3).