Fanampiana amin’ny fandalinana
Manosotra


Manosotra

Tamin’ny andro fahiny dia nohosoran’ny mpaminanin’ny Tompo diloilo ireo izay hisahana andraikitra manokana toa an’i Aharôna na ireo mpisorona na ireo mpanjaka izay hanapaka amin’ny Isiraely. Ankehitriny eo amin’ny Fiangonana, ny hoe manosotra dia manisy diloilo voatokana kely dia kely eo amin’ny lohan’olona ho toy ny tsodrano manokana. Izany dia tsy azo atao raha tsy araka ny fahefana sy ny herin’ny Fisoronana Melkizedeka. Aorian’ny fanosorana, ilay olona izay miasa araka izany fahefan’ny fisoronana izany, dia afaka mamehy io fanosorana io ary manome tsodrano manokana ho an’ilay nohosorana.