Fanampiana amin’ny fandalinana
Nomery


Nomery

Boky fahefatra ao amin’ny Testamenta Taloha. I Mosesy no nanoratra ny bokin’ny Nomery. Ny bokin’ny Nomery dia mitantara ny dian’i Isiraely avy tao an-tendrombohitra Sinay nankany amin’ny lemak’i Moaba teo imoron’i Kanana. Iray amin’ny lesona lehibe ampianariny ny tsy maintsy andehanan’ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny finoana sy amin’ny fahatokiana ny fampanantenany raha tiany ny hahomby. Mitantara ny famaizan’ Andriamanitra an’i Isiraely noho ny tsy fankatoavana izany ary manome fampahafantarana momba ny lalàn’ny Isiraelita. Avy amin’ny habetsahan’ny olona voaisa tao amin’ny fanisam-bahoaka ny anaran’ny boky (Nom. 1–2; 26).

Toko 1–10: mitantara ny fiomanan’ny Isiraelita amin’ny fandehanany avy eo Sinay. Toko 11–14: mitantara ny dia, ny fandefasana mpitsikilo tany Kanana ary ny fandavan’i Isiraely hiditra ny tany nampanantenaina. Toko 15–19: manamarika lalàna samihafa sy zava-nitranga ara-tantara. Toko 20–36: tantaran’ny taona farany nodiavin’ny vahoaka tany an-tany efitra.