Fanampiana amin’ny fandalinana
Fisaraham-panambadiana


Fisaraham-panambadiana

Ny fifaranan’ny fanambadiana amin’ny alalan’ny fahefan’ny lalàm-pitondrana na ny lalàm-piangonana. Navelan’ Andriamanitra hisy ny fisaraham-panambadiana, araka ny Testamenta Vaovao, anaty trangan-javatra sasantsasany, noho ny hamafin’ny fon’ny olona; nanazava anefa i Jesoa fa “tsy mba toy izany hatrany am-boalohany” (Mat. 19:3–12). Amin’ny ankapobeny dia mandrara ny fisaraham-panambadiana ny soratra masina ary mananatra ny lehilahy sy ny vehivavy andefimandriny mba hifankatia amim-pahamarinana (1 Kor. 7:10–12; F&F 42:22).