Fanampiana amin’ny fandalinana
Jentilisa


Jentilisa

Ny hoe Jentilisa, araka ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina, dia manana heviny maro. Manondro ny olona tsy Isiraelita firazanana izany indraindray, ny olona tsy Jiosy firazanana indraindray, ny firenena izay tsy manana filazantsara indraindray, na dia mety hisy ra Isiraelita ihany aza any anivon’ny vahoaka. Ity fampiasana farany ity no anavahana manokana ny teny araka ny ampiasana azy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.