Fanampiana amin’ny fandalinana
Galilia


Galilia

Tamin’ny andro fahiny sy amin’izao ankehitriny izao, dia izy no distrika avaratra indrindra amin’i Isiraely, andrefan’ny Renirano Jordana sy ny Ranomasin’i Galilia. Sahabo ho fito amby sivifolo kilaometatra ny lavan’i Galilia ary valo amby efapolo kilaometatra ny sakany. Fahagolan-tany dia nahitana ny ampahan-tany tsara indrindra izy mbamin’ireo tanàna naresaka indrindra tamin’i Isiraely. Ireo arabe vaventy mankany Damaskosy, Egypta ary Isiraely Atsinanana dia namakivaky an’i Galilia. Ny toetrandrony tsara dia tsara sy ny taniny lonaka dia namokatra oliva, varimbazaha, ôrza ary voaloboka betsaka. Namatsy ny varotra fanondranana entana ireo toeram-panjonoana teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia sady loharanon-karena be. Nandany ny ankamaroan’ny fotoany tany Galilia ny Mpamonjy.

Ny Ranomasin’i Galilia

Hita ao Isiraely Avaratra ny Ranomasin’i Galilia. Natao koa hoe ny Ranomasin’i Kinereta izany ao amin’ny Testamenta Taloha ary ny Farihin’i Genesareta na Tiberiasy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nanao lahateny maro i Jesoa tao (Mat. 13:2). Miendrika poara ny sisin-dranomasina, 20 kilaometatra ny lavany ary 12 kilaometatra ny sakany eo amin’ny sakany lehibe indrindra. Miorina eo amin’ny 207 metatra ambanin’ny vohon’ny ranomasina izy, ka mahatonga ny rivotra manodidina ho mahamay. Ny rivotra mangatsiaka midina avy any an-tendrombohitra ka mifanehatra amin’ny rivotra mahamay eo ambonin’ny rano dia mazàna no miteraka tafiotra tampoka (Lio. 8:22–24).