Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanjakan’ Andriamanitra na Fanjakan’ny Lanitra


Fanjakan’ Andriamanitra na Fanjakan’ny Lanitra

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany (F&F 65). Ny tanjon’ny Fiangonana dia ny hanomana ireo mpikambana ao aminy hiaina mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialy na fanjakan’ny lanitra. Indraindray anefa ny soratra masina dia miantso ny Fiangonana ho fanjakan’ny lanitra, izay midika fa ny Fiangonana no fanjakan’ny lanitra eto an-tany.

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany, saingy voafetra ho fanjakana ara-pivavahana ihany izany ankehitriny. Mandritra ny Arivotaona, dia ho fanjakana sady ara-pôlitika no ara-pivavahana ny fanjakan’ Andriamanitra.