Fanampiana amin’ny fandalinana
Titosy, Epistily ho an’i


Titosy, Epistily ho an’i

Rehefa afaka vonjimaika tamin’ny fanagadran’ny Romana i Paoly dia nanoratra epistily ho an’i Titosy izay tany Kreta. Ny taratasy dia miresaka indrindra ny fanontaniana mikasika ny fitsipi-pifehezana anatiny sy ny fandamin’nyn’ny fiangonana.

Toko 1: Mirakitra ny fiarahaban’i Paoly sy toromarika ary ny fepetra ankapobeny takiana amin’ny eveka. Toko 2–3: Mirakitra fampianarana ankapobeny sy hafatra manokana ho an’i Titosy mikasika ny fomba hitondrana ireo vondrona samihafa ao amin’ny fiangonana any Kreta. Nampahery ny olomasina i Paoly handresy ny haratsiam-panahy, ho mahonon-tena, ho maotina sy mahatoky, ary hitana ny asa tsara.