Fanampiana amin’ny fandalinana
Baiboly


Baiboly

Fitambaran’ireo asa soratra Hebreo sy Kristiana izay mirakitra ireo fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Ny hevitry ny teny hoe Baiboly dia “ireo boky.” Ny baiboly dia asasoratr’ireo mpaminany maro sy mpanoratra nentanim-panahy izay niasa araka ny fitaoman’ny Fanahy Masina (2 Pet. 1:21).

Ny Baiboly Kristiana dia mizara roa, fantatra araka ny mahazatra amin’ny hoe: ny Testamenta Taloha sy Vaovao. Ny Testamenta Taloha dia ahitana ireo bokin’ny soratra masina nampiasaina teo anivon’ireo Jiosin’i Palestina nandritra ny asa fanompoan’ny Tompo teto an-tany. Ny Testamenta Vaovao dia mirakitra ireo asasoratra tamin’ny andron’ny Apôstôly sady heverina ho manana fahamasinana sy fahefana mitovy amin’ireo soratra masina Jiosy. Ireo boky ao amin’ny Testamenta Taloha dia notsoahina avy tamin’ny haisora-pirenena naharitra taonjato maro ary saiky nosoratana tanteraka tamin’ny fiteny Hebreo, raha ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao kosa dia asan’ny taranaka tokana ary nosoratana indrindra tamin’ny fiteny Grika.

Ao amin’ny Testamenta Taloha ny teny hoe testamenta dia mitana ny toeran’ny teny Hebreo izay “fanekempihavanana” no heviny. Ny Fanekempihavanana Taloha dia lalàna izay nomena an’i Mosesy, rehefa notsipahin’ny Isiraely ny fahafenoan’ny filazantsara izay nananan’ny vahoakan’ Andriamanitra hatry ny fiandohan’ny toetry ny mety maty. Ny fanekempihavanana Vaovao dia ny filazantsara araka ny nampianaran’i Jesoa Kristy azy.

Ireo boky ao amin’ny Baiboly Hebreo (ny Testamenta Taloha) dia nozaraina ho toko telo: ny Lalàna, ireo Mpaminany ary ireo Asasoratra. Mandahatra ireo boky araka ny votoatin-kevitra ny Baiboly ampiasain’ny Kristiana, toy ny hoe tantara, tononkalo ary faminaniana.

Toy izao amin’ny ankapobeny no filahatr’ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao: Ireo Filazantsara efatra sy ny Asan’ny Apôstôly; ireo epistilin’i Paoly; ireo epistily faobe an’i Jakoba, i Petera, i Jaona ary i Joda; ary ny Fanambaran’i Jaona.

Manoa sy manaja ny Baiboly ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary milaza ihany koa fa tohizan’ny Tompo ny fanomezana fanampim-panambarana, amin’ny alalan’ireo mpaminaniny amin’ny andro farany, izay manohana sy manamarina ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’ny fitondran’ Andriamanitra ny olombelona.