Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanalahidin’ny Fisoronana


Fanalahidin’ny Fisoronana

Ny fanalahidy dia zon’ny fiadidiana na fahefana omen’ Andriamanitra ny olona mba hitarihana, hifehezana, ary hitantanana ny fisoronan’ Andriamanitra eto an-tany. Ireo mpihazona ny fisoronana, izay antsoina ho eo amin’ny toeram-piadidiana, dia mandray fanalahidy avy amin’ireo izay manam-pahefana eo amboniny. Ao anatin’ny fetra apetrak’ireo izay mihazona ny fanalahidy ihany no ampiasan’ny mpihazona ny fisoronana izany fisoronana izany. Ny Filohan’ny Fiangonana no hany olona eto an-tany mihazona sy nomena lalana hampiasa ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana (F&F 107:65–67, 91–92; 132:7).