Fanampiana amin’ny fandalinana
Isakara


Isakara

Zanakalahin’i Jakoba sy i Lea ao amin’ny Testamenta Taloha (Gen. 30:17–18; 35:23; 46:13). Tonga anankiray tamin’ireo foko roa ambin’ny folo tamin’ny Isiraely ny taranany.

Ny fokon’i Isakara

Hita ao amin’ny Genesisy 49:14–15 ny tsodrano nataon’i Jakoba tamin’i Isakara. Rehefa niorim-ponenana teo Kanana ilay foko, dia nahazo ny ampahany lonaka indrindra amin’ny tanin’i Palestina izy ireo, anisan’izany ny lemaka Esidraelona. Aty anatin’ny sisin-tanin’i Isakara ireo toerana manan-danja maro teo amin’ny tantaran’ny Jiosy, ohatra: i Karmela, i Megido, i Dotana, i Gilboa, i Jezirela, i Tabara ary i Nazareta (Jos. 19:17–23).