Fanampiana amin’ny fandalinana
Mpitsara, Bokin’ny


Mpitsara, Bokin’ny

Boky iray ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny bokin’ny Mpitsara dia miresaka ny amin’ny Isiraelita, nanomboka tamin’ny nahafatesan’i Josoa ka hatramin’ny nahaterahan’i Samoela.

Toko 1–3: teny fanolorana ho an’ny bokin’ny Mpitsara iray manontolo. Hazavainy ny antony tsy nandresen’ny Isiraelita ny fahavalony (Mpits. 1:16–35), tsy maintsy miaritra ny vokatry ny fahaverezan’ny finoany sy ny fanambadiany tsy mpino ary ny fanompoany sampy ny Isiraelita. Toko 4–5: mitantara ny amin’i Debora sy Baraka izay nanafaka an’i Isiraely tamin’ny Kananita. Toko 6–8: mirakitra ny traikefa mampitombo finoana nananan’i Gideona izay notahian’ny Tompo hanafaka an’i Isiraely tamin’ny Medianita. Toko 9–12: lehilahy maro samihafa no nitsara ny Isiraely nandritra ny fotoana izay naha-tao anatin’ny apôstazia sy nitondran’ny mpitondra vahiny ny ankamaroan’ny Isiraelita. Toko 13–16: mitantara ny nisandratan’i Samsona mpitsara farany sy ny nianjerany. Ny toko farany 17–21 dia azo lazaina ho toy ny teny famaranana izay manambara ny halalin’ny fahotan’ny Isiraely.