Fanampiana amin’ny fandalinana
Filistina


Filistina

Ao amin’ny Testamenta Taloha, foko izay niandoha tany Kaftora (Amo. 9:7) ary nonina tamin’ny tany lemaka teo amin’ny morontsirak’i Mediteranea, nanomboka teo Jopa ka nipaka hatrany amin’ny efitr’i Egypta talohan’ny andron’i Abrahama (Gen. 21:32). Nifandrafy an’ady ny Filistina sy ny Isiraelita nandritra ny taona maro. Farany dia lasa anara-mahazatra iantsoana ny Tany Masina ny anarana Palestina izay anaran’ilay faritany Filistina.