Fanampiana amin’ny fandalinana
Fianianana sy Fanekempihavanan’ny Fisoronana


Fianianana sy Fanekempihavanan’ny Fisoronana

Ny fianianana dia fanekena amin’ny velirano ny ho marina sy ho mahatoky amin’ny fampanantenana atao. Ny fanekempihavanana dia fampanantenana matotra eo amin’ny antokon’olona roa samy hafa. Fanekempihavanana irery ihany no andraisana ny Fisoronana Aharôna. Ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia mandray ny fisoronana amin’ny fianianana tsy tononina sy amin’ny fanekempihavanana. Mitahy ireo mpihazona ny fisoronana Andriamanitra rehefa mahatoky sy milofo amin’ny antsony araka izay itarihany izy ireo. Ireo izay mahatoky hatramin’ny farany sy manao izay rehetra angatahiny aminy dia hahazo izay rehetra ananan’ny Ray (F&F 84:33–39).