Fanampiana amin’ny fandalinana
Orima sy Tomima


Orima sy Tomima

Fitaovana nomanin’ Andriamanitra hanampiana ny olona amin’ny fandraisana fanambarana sy amin’ny fandikana teny. Midika hoe “fahazavana sy fahatanterahana” ireo teny ireo amin’ny teny Hebreo. Ny Orima sy Tomima dia vita amin’ny vato roa ao anaty tandro-bolafotsy, ary ampiasaina miaraka amin’ny saron-tratra indraindray (F&F 17:1; JS—T 1:35, 42, 52). Ny tany dia ho lasa Orima sy Tomima lehibe ao amin’ny toetrany nohamasinina sy tsy mety maty (F&F 130:6–9).