Fanampiana amin’ny fandalinana
Ranomasina Mena


Ranomasina Mena

Velarana rano manelanelana an’i Egypta sy i Arabia. Mandrafitra ny moron’ny saikinosin’i Sinay ireo hoalany roa avaratra. Nosarahan’ny Tompo roa tamin’ny alalan’ny fomba mahagaga ny Ranomasina Mena mba hahafahan’ny Isiraelita teo ambany fitarihan’i Mosesy hamakivaky amin’ny tany maina (Eks. 14:13–31; Heb. 11:29). Hamafisin’ny fanambaran’ny andro farany ny nampisarahan’i Mosesy ny ranomasina (1 Ne. 4:2; Hel. 8:11; F&F 8:3; Mos. 1:25).