Fanampiana amin’ny fandalinana
Lamanita


Lamanita

Andian’olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay taranak’i Lamàna lahimatoan’i Lehia ny ankamaroany. Nahatsiaro tena ho nofitahin’i Nefia sy ny taranany izy ireo (Môzià 10:11–17). Vokatr’izany dia nikomy tamin’ny Nefita izy ary nitsipaka matetika ny fampianaran’ny filazantsara. Na izany aza, fotoana fohy nialoha ny nahaterahan’i Jesoa Kristy, dia nandray ny filazantsara ny Lamanita ary tonga marina kokoa noho ny Nefita (Hel. 6:34–36). Roanjato taona taorian’ny namangian’i Kristy an’i Amerika, dia samy lasa ratsy fanahy na ny Lamanita na ny Nefita ka nanomboka nifandrafitra ady. Tokony ho 400 taona taorian’i Kristy, dia nofongoran’ny Lamanita tanteraka ny firenena Nefita.