Fanampiana amin’ny fandalinana
Fieritreretana


Fieritreretana

Ilay fahatsapana ny marina sy ny diso ao anaty, avy amin’ny Fahazavan’i Kristy izay ao anatin’ny olona rehetra (Môrô. 7:16). Miara-teraka amintsika ny fahaizana voajanahary hanavaka ny marina sy ny diso noho ny fahazavan’i Kristy izay omena ny olon-drehetra (F&F 84:46). Izany fahaizana izany no atao hoe fieritreretana. Ny fananana izany dia mahatonga antsika ho olona tompon’andraikitra. Toy ireo fahaizana hafa, ny fieritreretantsika dia mety ho faty noho ny fahotana na ny fampiasana azy tsy araka ny tokony ho izy.