Afaka amin’ny fahotana na heloka; tsisy tsiny. Lasa madio ny olona iray rehefa madio amin’ny lafiny rehetra ny fisainany sy ny ataony. Ny olona izay efa nanota dia afaka ho tonga madio amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ary ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny filazantsara.
Izay madio tanana sy mahitsy fo no handray fitahiana amin’ny Tompo, Sal. 24:3–5 .
Madiova ianareo izay mitondra ny fanaky ny Tompo, Isa. 52:11 (F&F 133:4–5 ).
Sambatra ny madio am-po, Mat. 5:8 (3 Ne. 12:8 ).
Na inona na inona madio, dia hevero izany, Filip. 4:8 (Fp. 1:13 ).
Ianareo rehetra izay madio am-po, andrandrao ny lohanareo ary raiso ny teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra, Jkb. 3:2–3 .
Moa va ho afaka hiandrandra an’ Andriamanitra ianareo amin’izany andro izany amin’ny fo mahitsy sy ny tanana madio, Almà 5:19 .
Madio sy tsisy pentina eo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo, ka tsy afaka ny hihevitra ny fahotana afa-tsy amin’ny rikoriko, Almà 13:12 .
Madiova tahaka an’i Kristy izay madio, Môrô. 7:48 (Môrm. 9:6 ).
Hitahiry ho an’ny tenany vahoaka madio i Kristy, F&F 43:14 .
Nodidin’ny Tompo ny hanorenana trano ao Ziona izay hahitan’ny madio an’ Andriamanitra, F&F 97:10–17 .
I Ziona dia izao—ny madio am-po, F&F 97:21 .