Fanampiana amin’ny fandalinana
Smith, Joseph, zanany


Smith, Joseph, zanany

Mpaminany voafidy hamerina indray ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy eto an-tany. Teraka tao amin’ny faritanin’i Vermont tany Amerika i Joseph Smith, ary niaina tamin’ny taona 1805 ka hatramin’ny taona 1844.

Tamin’ny taona 1820, dia niseho tamin’i Joseph Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy, ary fantany fa tsy misy marina ireo fiangonana eto an-tany (JS—T 1:1–20). Novangian’ny anjely Môrônia izy taty aoriana, ary natorony ny toerana nanafenana ireo takelaka volamena izay nirakitra ny rakitsoratr’ireo mponina fahiny teo amin’ny kaontinanta Amerikana (JS—T 1:29–54).

Nandika ireo takelaka volamena i Joseph ary namoaka izany ho ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny taona 1830 (JS—T 1:66–67, 75). Tamin’ny taona 1829, dia nandray ny fahefan’ny fisoronana tamin’i Jaona Mpanao Batisa sy tamin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona izy (F&F 13; 27:12; 128:20; JS—T 1:68–70).

Araka izay nandidian’ Andriamanitra, ny 6 aprily 1830, dia naorin’i Joseph sy ireo maromaro hafa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny (F&F 20:1–4). Teo ambany fitarihan’i Joseph dia nitatra tany Kanada, Angletera, ary ny ilany atsinanan’i Amerika, indrindra tany Ohio, Missouri, ary Illinois ny Fiangonana. Fanenjehana mivaivay no nanaraka an’i Joseph sy ny olomasina na taiza na taiza nonenany. Maty maritiora tao Carthage, Illinois, tany Amerika i Joseph sy i Hyrum rahalahiny ny 27 jona 1844.

Soratra Masina navoakan’ny mpaminany Joseph Smith

Nandika ny ampahany tamin’ny takelaka volamena izay nomen’i Môrônia azy i Joseph, fandikana izay navoaka tamin’ny taona 1830 ho ny Bokin’i Môrmôna. Nahazo fanambarana maro tamin’ny Tompo koa izy, izay mamariparitra ny fotopampianarana sy ny fandaminana fototra ao amin’ny Fiangonana. Maro amin’ireo fanambarana ireo no natambatra ao amin’izay antsoina ankehitriny hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Tompon’andraikitra koa izy tamin’ny famoahana ny Voahangy Lafo Vidy izay mirakitra fandikana sasany nentanim-panahy avy amin’ny asa soratr’i Mosesy sy i Abrahama ary i Matio, ny fantina avy amin’ny tantarany manokana sy ny tenivavolombelony, ary ny fanambarana telo ambin’ny folo mikasika ny fotopampianarana sy ny finoana tanan’ny Fiangonana.