Fanampiana amin’ny fandalinana
Mpianatra Nefita Telolahy


Mpianatra Nefita Telolahy

Ny telo amin’ireo mpianatra Nefita nofinidin’ny Tompo izay voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Nomen’ny Tompo fitahiana mitovy amin’izay nomena an’i Jaona ilay lalaina ireo mpianatra ireo—dia ny hahazoany mijanona eto an-tany mba hitondra fanahy ho an’i Kristy mandra-piverin’ny Tompo indray. Novana izy mba tsy hahatsiaro fanaintainana sady tsy ho faty (3 Ne. 28).