Fanampiana amin’ny fandalinana
Ranomasina Maty


Ranomasina Maty

Ny ranomasin-tsira ao amin’ny faran’ny faritra atsimo amin’ny lohasahan’i Jordana. Fantatra ihany koa amin’ny hoe Ranomasina sira izany. Ny vohony dia sahabo ho 395 metatra ambanin’ny Ranomasina Mediteranea. Ny tanànan’i Sodoma, i Gomora ary i Zoara na i Bela no nanemitra ny morony (Gen. 14:2–3).

Ho fahatanterahan’ny faminaniana ary anisan’ny famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ny hanasitranana ny ranon’ny Ranomasina Maty ka ho velona ny aina ao anatiny (Ezek. 47:8–9).