Fanampiana amin’ny fandalinana
Fahitana Voalohany


Fahitana Voalohany

Ny fisehoan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy zanany tamin’i Joseph Smith Mpaminany tao anaty kirihitr’ala.

Ny lohataonan’ny taona 1820 dia feno dimy ambin’ny folo taona i Joseph Smith zanany. Niara-monina tamin’ny fianakaviany tao an-tanànan’i Palmyra, New York, izy. Tao andrefana, tsy lavitra ny fonenan’izy mianakavy, dia nisy alan’ireo hazo vaventy. Nandeha tao amin’io toerana io i Joseph mba hangataka amin’ Andriamanitra, hahafantarany izay fiangonana marina. Nanaitra azy ny namakiany tao amin’ny Baiboly fa tsy maintsy mangataka izany valinteny izany amin’ Andriamanitra izy (Jak. 1:5–6). Ho valin’ny fivavany, dia niseho taminy ny Ray sy ny Zanaka ka niteny taminy tsy hilatsaka ho mpikambana amin’ny fiangonana nisy teto an-tany tamin’izay fotoana izay, satria diso avokoa izy rehetra (JS—T 1:15–20). Ity zava-masina tojo azy ity no santatr’ireo toe-javatra nifampitohitohy ka nahatonga ny Famerenana ho amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny Fiangonana marin’i Kristy.