Fanampiana amin’ny fandalinana
Filazana Ôfisialy 1


Filazana Ôfisialy 1

Natonta ao amin’ny pejy famaranana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny ampahany voalohany amin’ny Filazana Ôfisialy 1, ary fantatra koa amin’ny hoe “Manifestô.” Nomen’ny Filoha Wilford Woodruff izany ary natolotra ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny fihaonambe ny 6 ôktôbra 1890. Nanomboka ny taona 1862 sy ny dimy amby roapolo taona nanaraka dia lalàna maro no nametraka tsy ho ara-dalàna ny fampakarana vady maro tany Etazonia. Nasehon’ny Tompo an’i Wilford Woodruff tamin’ny fahitana sy ny fanambarana ny zavatra hitranga raha tsy mampitsahatra ny fampakarana vady maro ny Olomasina. Manambara amin’ny fomba hentitra ny Manifestô fa tsy atao intsony ny fampakarana vady maro.