Fanampiana amin’ny fandalinana
Josefa, Vadin’i Maria


Josefa, Vadin’i Maria

Vadin’i Maria, renin’i Jesoa. Taranak’i Davida i Josefa (Mat. 1:1–16; Lio. 3:23–38) ary nonina tao Nazareta. Voafofo ho vadin’i Maria izy. Taloha kelin’ny fanambadiany, dia namangy an’i Maria ny Anjely Gabriela izay nanambara fa i Maria dia voafidy ho Renin’ny Mpamonjy (Lio. 1:26–35). Nahazo koa ny fanambarana ny amin’ity fahaterahana avy amin’ Andriamanitra ity i Josefa (Mat. 1:20–25).

Maria no hany iray nofo aman-dra tamin’i Jesoa teto an-tany, satria Andriamanitra Ray no rain’i Jesoa; saingy nihevitra an’i Josefa ho rain’i Jesoa ny Jiosy, ary i Jesoa dia nitondra azy ho toy izany (Lio. 2:48, 51). Niaro ny ain’i Jesoa zaza i Josefa rehefa nahazo tsindrimandry avy tany an-danitra ka nandositra tany Egypta (Mat. 2:13–14). Rehefa maty i Heroda, dia notoroan’ny anjely hevitra i Josefa hitondra an’i Kristy zaza hiverina any Isiraely (Mat. 2:19–23).